Tag: Fiangonana

Fifindran-toerana Fiangonana Septambra 2017 – FLM Orléans

Fiangonana FLM Orléans Septambra 2017

Araka ny vaovao efa rentsika misesy teo amin’ny filazan-draharaha dia tsy ho ela intsony dia handray trano toeram-pivavahana vaovao ny Fiangonantsika FLM Orléans. Taorian’ny fampandrenesana nataon’ny tompon-trano ankehitriny eto Rue Guy-Marie RIOBE, dia niomana tsikelikely ho amin’ny fifindràna isika. Efa am-bolana vitsivitsy no nodinihina teo amin’ny Komity izany. Koa misaotra an’i Jesosy isika fa Izy …

Continuer à lire »

Ny fahasoavan’Andriamanitra nandraisany anao ho ankohonany.

Fahasoavan'Andriamanitra

Teny Fiainana ho anao! « Ny Fahasoavan’Andriamanitra! » araka ny Hebreo 10, dia ny niantsoan’Andriamanitra anao hoe, « Zanako ianao! »; io no iantsoany anao ho tonga ankohonany! « Izaho ho Rainy, ary ianao ho zanany » hoy koa ny Heb. 1: 5b. Fianakaviana maro avy amin’ny toerana maro, avy amin’ny firenen-tsamihafa, sy ny olona samihafa nantsoiny ho tonga ankohonana iray, …

Continuer à lire »

Pentekosta: Fiainam-baovao sy Fiadanana

Miarahaba antsika rehetra mankalaza indray ny Andro Pentekosta! Inona moa ny « Pentekosta »? Fahizay, Andro fetim-bokatra teo amin’ny Zanak’Isiraely ny « Pentekosta »; fanolorana ho an’Andriamanitra izay tsara indrindra avy amin’ny voaloham-bokatra. Fanolorana fanati-pisaorana ho an’i Jehovah, avy amin’ny voaloham-bokatra; dimam-polo andro aorian’ny Paska, fisaorana noho ny fanavotana avy tany amin’ny fanandevozana tany Egypta. Ny Pentekosta dia fety …

Continuer à lire »

FIVORIAMBE faha-12 FFLET Windhoek – Namibia 10-16 mey 2017

FLM / LWF FIVORIAMBE FAHA 12 / NAMIBIA 2017 Ireo solotenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy notarihan’ny Filohan’ny FLM Pastora Dr RAKOTONIRINA David, any an-toerana, Sary FLM – Ny Aina Dina RAKOTOMALALA Nisokatra tamin’ny alarobia 10 mey 2017 teo ny Fivoriamben’ny LWF (FFLET) izay atao any Windhoek, Namibia ao Afrika atsimo andrefana ao. Enina (6) no solotenan’ny …

Continuer à lire »

HERINANDRO MASINA 2017: Sabotsy mangina 15/04

HERINANDRO MASINA 2017: Sabotsy 15/04 NDAO HANARAKA NY DIAN’I JESOSY ISIKA (SABOTSY) Antsoina hoe « sabotsy mangina » ity sabotsy ity satria matory ao am-pasana mangina i Jesosy Tompo. Mitovitovy amin’ny fasana Malagasy sasany izay tsy lavaka ao anaty tany fa trano misy varavarana ahidy amin’ny vato ny an’ny Jiosy. Nambenan’ny miaramila romana izany fasana izany mba tsy hisy …

Continuer à lire »