ZAIKAKELY FIFIL – Fandaharana 17 & 18 martsa 2018

ZAIKAKELY FiFiL – Synodam-paritany FLM Eoropa
Ao anatin’ny fananamarihana ny faha 25 taonan’ny FLME sy ny Jobilin’i Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond mivady izao dia indro atolotra anao ny fandaharana amin’ny Zaikakelin’ny FiFiL eto amin’ny Synodantsika, izay horaisin’ny Fileovana Ile-de-France ny 17 & 18 martsa 2018 ho avy izao.
Manasa antsika hanatrika izany tompoko!

Teny faneva: « Indro efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao » Isaia 49:16a

 

SABOTSY 17 martsa 2018

Toerana:  FLM Val-de-Marne, 33 avenue Valenton – 94190 Villeneuve Saint Georges

10:00 Fotoam-pivavahana fanokafana

Rakitra zaikakely

12:00 Sakafo sy Vokatra

02:00 Fampianarana Soratra Masina

Lohahevitra: « Ny fanafahana nataon’Andriamanitra » Isaia 44-45

Rakitra valopy Fanorenana ny Toby

04:00 Fankalazana Jobily faha-25 taona SP-FLME « Mitàna mafy ny finoana »

Rakitra Valopy faha-25 taona

Famelabelarana « Ny Toby eo anivon’ny FLME »

06:00 Fialana hetaheta

06:30 Asa sy Fampaherezana

07:30 Sakafo sy Vokatra

 

ALAHADY 18 martsa 2018

Toerana: FLM Malakoff, Impasse André Sabatier – 92240 Malakoff

10:00 Fotoam-pivavahana litorzika

Rakitra sy fanaterana ny valopy Zaikakely

Jobily Pastora Raharijaonarivelo Edmond mivady

Rakitra valopy Jobily

Fandraisana ny fanasan’ny Tompo

02:00 Sakafo sy Vokatra