Vaovao 20/07/2014 | www.flm-orleans.org

– Lasin’ny Tanora (Camp des Jeunes) 2014

Taorian’ny fanapahan-kevitry ny Komity KTLM dia tsy hisy ity zaika ity ho an’ity taona 2014 ity, noho ny isan’ny mpikarakara vitsy loatra. Mitohy anefa izany lasy izany, ho an’ny taona 2015.

– Mpiandry voatokana

Am-pifaliana no hiarahabàn’ny Fiangonana an’Andriamatoa sy Ramatoa RASOLO mivady, notokanana mpiandry tany amin’ny Toby Pouru-St-Rémy, ny 14 jolay 2014 lasa teo.

– Solotena FLM Orléans nankany amin’ny Toby

Nahatonga solotena isika  FLM Orléans, tany amin’ny Isan-taonan’ny Toby Pouru-St-Rémy. Misaotra ny mpikambana tao amin’ny Fifil nandray anjara tamin’ny fandehanan’izy ireo tany an-toerana.

– Fiantsoana

Manao antso ny Pastora ho antsika mpiara-mivavaka mpianakavin’ny finoana rehetra, mba hanatona azy hidinika, raha nandray antso manokana, ho amin’ny asan’ny Mpiandry.

Tsy ny mpiandry ihany anefa, fa izay rehetra hiditra Kofirmanda (olona mihoatra ny 14 taona), ho fiomanana ho an’ny Konfirmasiona, sy ireo rehetra nandray « antso » ho amin’ny sehatra/sampana hafa.

– KTLM

Hojerena manokana ny fijoroan’ny KTLM eto amin’ny Fiangonana, ka ajoro araka ny fombam-piangonana/rafitra tokoa.

– Sekoly Alahady

Hampanao fanadinana ny Sekoly alahady ny Pastora eto an-toerana, any amin’ny fidirana manaraka. Volana novambra any ho any. Ampahatsiahivina ireo Ray aman-dReny mba hazoto handefa ny zanany. Ny fidiran’ny Sekoly Alahady dia tsy miova fa amin’ny 2 ora sy sasany isan’alahady.

– Hafatra avy amin’ny Filohan’ny FLM

Manasa ny Fiangonana, aorian’ny fotoam-pivavahana hijery sy handray ny hafatra avy amin’ny Filohan’ny FLM, tany amin’ny Isan-taonan’ny Toby Pouru-St-Rémy. Azonao arahana eto izany.

 

Laisser un commentaire