Vaovao 07/09 sy 14/09/2014

AVY ETO AN-TOERANA

– Mankasitraka ny fianakaviana mampiantrano ny Fiangonana manontolo eto Chanteau, amin’izao fotoana tsy ahafahana mampiasa ny efitrano Fiangonana mahazatra izao (fanamboarana).

– Ny Pastora dia miarahaba antsika rehetra nahatratra ny fidirana indray.

– Mitohy ny fanamboarana eo amin’ny trano Fiangonana, koa tsy ho afaka tanterahana araka ny fikasana tany am-boalohany ny Vokadehiben’ny Fiangonana.

Noho izany, dia vokatra no ho ataontsika ny alahady 14/09/2014, araka ny fandaharana napetraka ao amin’ny Hetsika [tranonkala fiangonana]. Entanina samy handray anjara ny tsirairay ho fanohanana ny asa eto amin’ny fiangonantsika. Ny sakafo izay saika natao dia soloina rotsa-bola isan’olon-dehibe.

Hisy fanentanana amin’ny antsipiriany ho rentsika mikasika izany ao aoriana kely.

AVY ANY IVELANY

– Efa miomana ho an’ny Isan-telovolana any amin’ny Fitandremana Paris isika.

Na dia mbola tsy fantatra aza ny daty hanatanterahana izany, dia miandry amim-paharetana isika.

– Ao Ile-de-France, amin’ny faraparan’ny volana oktobra 2014 no hanaovana ny isan-taonan’ny Synodam-paritany SP FLME (Eoropa).

– Mitondra am-bavaka ny Fivorian’ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda koa isika. Ny Komity no mivory amin’izany, ary raharaham-piangonana no dinihiny, ao Ile-de-France, ny 20 sy 21 septambra 2014 ho avy izao.