VAOVAO 07/06/2015 | Fanokanana diakona FLM Orléans

Araka ny fanambarana sy fanolorana nataon’ny Raiamandreny Pastora RASETA, mpitondra Fitandremana Orléans, dia hotantarahina eto amin’ny fiangonantsika ny Alahady 07 jona 2015 amin’ny 2 ora tolakandro ho avy izao ny fanokanana ho diakona, ireo kandida miisa 6.

Hoy indrindra ny Pastora tamin’izany: Raha fehezina, NY DIAKONA DIA MIANDRAIKITRA NY FILAMINAN’NY FOTOANA REHETRA ATO AM-PIANGONANA. Izany no niantsoana azy. Misy antsipiriany isan-karazany ny amin’izany, fa ny fototra dia io voalaza io.

Tsy fidiana ny diakona ho antsika Loterana, fa antso no hirotsahany amin’ny asa fanompoana.

Koa mitondra am-bavaka an’izy enina mianadahy isika dieny izao, ary misaotra an’Andriamanitra omeny olona hikarakara sy hitandro ny filaminan’ny fotoana eto amin’ny Fiangonantsika, ahafahantsika mifantoka amin’i Jesosy.

Ireto avy izy enina mianadahy hotokanana amin’izany:

– Rtoakely ANDRIANAIVO Fara,

– Rtoa RAKOTOARIVONY Harisoa,

– Atoa RAKOTONARIVO N. Faly,

– Rtoa RALAIVELO Volonlontsoa,

– Rtoa RASOLO Lalaina,

– Atoa RASOLO Tantely.

.