Lioka 24:1-9
Alahady 16/04/2017 – Toriteny PASKA andro voalohany, Pastora RAKOTONJANAHARY Imboasalama, FLM Ambatovinaky,
eto amin’ny flm-orleans.org
1 Fa nony maraina koa tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana.
3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’i Jesosy Tompo.
4 Ary raha mbola very hevitra tamin’izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?
6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
7 Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.
8 Dia nahatsiaro ny teniny izy.
9 Ary niverina niala tamin’ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany rehetra.