Toriteny Fanokafana I3V Mey 2019 – Jaona 16:16-22 Pastora RANDRIAMALALA Eddy
Jaona 16:16-22
11/05/2019 – Perikopa Alahady III manaraka ny Paska, Pastora RANDRIAMALALA Eddy, FLM Bordeaux | www.flm-orleans.org
16 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony hianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo.
17 Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo, ary, satria mankany amin’ ny Ray Aho?
18 Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
19 Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va hianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo?
20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona hianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary hianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
21 Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ ny tany.
22 Ary hianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
Teo aloha: NY FIAINAN’NY KRISTIANA NY FIFOHAZANA