Juil 17

Tongasoa! | www.flm-orleans.org

Am-pitiavana sy am-pirahalahiana tokoa no andraisana anao mitsidika ity tranonkalan’ny Fiangonana Loterana Malagasy eto Orléans ity, amin’ny anaran’i Jesosy.
Fitaovana hifampizarana vaovao, avy amin’ny Pastora, ny Katekista, ny sampana isanisany ary ny Fiangonana manontolo izy ity. Izao no atao, dia ny mba hirosoantsika kokoa amin’ny asan’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Filazantsara, ho fampaherezana ny tsirairay, ny isa-tokantrano sy isam-pianakaviana.
Koa faly isika fa Jesosy no manao ny asa, araka ny halehiben’ny fitiavany ny Fiangonana ka isaorantsika azy izany, ary ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!

(2 commentaires)

  1. Salama tompoko! Mamangy ny Pastora sy ny Fianonana Loterana Malagasy Orléans amin’ny anaran’i Jesosy. Mirary soa ho anareo, ny fampandrosoana ny asa fitoriana ny filazantsara.
    Pastora RANDRIANANTENAINA Jean Yves Aumonier FLM SALFA Ophtalmo ORL Ivory Atsimo Fianarantsoa

    1. Miarahaba tompoko Pastora RANDRIANANTENAINA Jean Yves. Fifaliana ho anay ny mandray anao eto.
      Manasa anao koa hitondra vatsy eto amin’ny tranonkala, ho soa ho an’ny mpamaky rehetra. Dia mankasitraka indrindra tompoko amin’ny firariantsoa. Jesosy ho amintsika rehetra.

Laisser un commentaire