Tag: Sekoly Alahady

VAOVAO 15/08/2015 | Fisindàna Sekoly Alahady 2015

Fisindana nataon'ny Sekoly alahady, miaraka amin'ny Ray aman-dReny

Noho ny famindram-pon’ny Tompo dia vita soa aman-tsara ny Fisindàna nataon’ny Sekoly Alahady, ho amin’ity taom-pianarana 2014-2015 ity. Efa nentina am-bavaka fotoana ela izy ity ary izao tanteraka izao, noho ny fiaraha-miasan’ny Fiangonana, Ray aman-dReny ary ny Sekoly Alahady, izay isaorana etoana. Tamin’izany no nakan’ny Sekoly Alahady teto amintsika fotoana nianarana ny tenin’Andriamanitra anivon’ny zava-boahary …

Continuer à lire »

VAOVAO Alahady nasionaly isan-tSampana

ALAHADY NASIONALY ISAN-TSAMPANA Raha ny lamina napetraky ny Foibe FLM sy ireo Sampam-pikambanana Nasionaly ao aminy dia misy daty vitsivitsy tsara fantatra, ho an’ny Sampana isanisany. Noho ny fotoana mifanindry amin’ny saty sasantsasany eto anivon’ny Synodam-Paritany Eoropa, na Fileovana Paris misy ny FLM Orléans anefa dia misy amin’izy ireo no tsy maintsy nafindra. Ireto avy …

Continuer à lire »

Fandaharana Fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady 2014 | www.flm-orleans.org

Fandaharana Fiofanana MSA SALOMA SP FLME_nov 2014

Vaovao 27/07/2014 | www.flm-orleans.org

Vaovaon’ny Sekoly Alahady 31 aogositra 2014: Hanatanteraka fisindàna. Ny antsipiriany dia ambara amin’ny fotoana manaraka. 28 septambra 2014: Fanadinana Sekoly Alahady. Tsy ampy ireo mpampianatra eto an-toerana ka manao antso, hampiditra mpampianatra vaovao, hanatevenana ireo amperinasa ankehitriny. Fivorian’ny Faribohitra Ny Faribohitra faha-8 dia nanatanteraka ny fivoriam-bavaka fanao isan-kerinandro ny alakamisy 24/07/2014 lasa teo tao Tours (tokantrano). …

Continuer à lire »

Vaovao 20/07/2014 | www.flm-orleans.org

– Lasin’ny Tanora (Camp des Jeunes) 2014 Taorian’ny fanapahan-kevitry ny Komity KTLM dia tsy hisy ity zaika ity ho an’ity taona 2014 ity, noho ny isan’ny mpikarakara vitsy loatra. Mitohy anefa izany lasy izany, ho an’ny taona 2015. – Mpiandry voatokana Am-pifaliana no hiarahabàn’ny Fiangonana an’Andriamatoa sy Ramatoa RASOLO mivady, notokanana mpiandry tany amin’ny Toby …

Continuer à lire »