Tag: mpampianatra

Fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady 2016 – Fandaharana

Hoy Jesosy: « … mianara Amiko … » Matio 11:29b. Ny Fileovana Marseille indray no handray ny fiofanan’ny mpampianatra Sekoly Alahady eto anivon’ny Synodam-paritany FLM Eoropa, ny sabotsy 12 sy alahady 13 novambra 2016 ho avy izao. Andrasana any Gemenos, toerana manokana handraisana ny fiofanana, ireto mpampianatra izay hanainga avy any amin’ny isam-piangonany avy. Manamarika ity fiofanana …

Continuer à lire »

Fanokafana fankalazana faha-5 taona SA

Nisokatra ny Alahady 26 aprily 2016 teo ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny Fiangonantsika. ANDROM-BAVAKA ho an’ny Sekoly Alahady rahateo io fotoana io ka dia nandray anjara feno tamin’izany ireo mpampianatra sy Biraon’ny Sekoly Alahady (fitarihana, vakiteny, toriteny) ary ireo mpianatra Sekoly Alahady. Ny teny Faneva dia izay ao amin’ny Jaona 8:31, …

Continuer à lire »

10/04/2016 Akon’ny Fivorian’ny Ray aman-dReny Sekoly Alahady

Misaotra an’i Jesosy isika fa vita soa aman-tsara ny fivorian’ny Ray aman-dReny Mpianatra Sekoly Alahady eto amin’ny Fiangonantsika, natao ny Alahady 10/04/2016 lasa teo. Niarahana tamin’ny Raiamandreny Pastora RASETA izany fivoriana izany, ka nandinihina indrindra ny jery todiky taona lasa, ireo kilasy misy eto amintsika, ny fizotry ny fampianarana, ireo fandaharana mandavan-taona, ny fiofanan’ny mpampianatra …

Continuer à lire »

Fandaharana fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady – Synodam-paritany FLME

Ny fiofanana isan-taona ataon’ny Mpampianatra Sekoly Alahady eto amin’ny Synodantsika (Synodam-Paritany FLM Eoropa), dia hotanterahina ny 07 & 08 novambra 2015 ho avy izao. Ny fileovana Paris, no mandray azy ary Toerana roa no hanaovana izany: Ny Sabotsy dia ao amin’ny 8 impasse André Sabatier, 94240 Malakoff | Bus 323, arrêt: Station Louis Girard izany ary ny …

Continuer à lire »

VAOVAO | FIOFANANA MPAMPIANATRA SEKOLY ALAHADY

Araka ny fandaminana misy eto amin’ny Fiangonantsika, anivon’ny Sampana Sekoly Alahady, ary ho fianarana sy fanamafisana ny asan’i Jesosy dia manao fiofanana anaty mitohy ireo MSA eto amintsika. Ny fandaharana fiofanana dia araka izay napetraky ny Komity Nasionaly Sa Lo Ma, izay efa natombontsika taona vitsivitsy izao, ary tohizana. Ireto ary ireo TOKO nanofanana tamin’izany: …

Continuer à lire »