Tag: flm

Alarobian’ny Lavenona 14 febroary 2018

ALAROBIAN’NY LAVENONA Ao anaty diary FLM 2018 sy Alimanaka dia ahitantsika fa Alarobian’ny Lavenona ity andro anio ity. Misy Teny voaomana ho antsika kristiana rehetra mifanandrify amin’izany vanim-potoana izany, izay manamarika ny 40 andro mialoha ny Paska izay fotoanan’ny Karemy na ny Pasiona mitohy hatramin’ny herinandro Masina. Indro ary atolotra antsika ireo teny ireo, ary …

Continuer à lire »

Ivon’ny Fankalazana 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona – FLM Betafo

Ivon'ny fankalazana 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona

BETAFO 2017 Ny ivon’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha 500 taonan’ny Reformasiona, 2017 dia hotanterahina any amin’ny FLM Betafo Antsirabe, SPAM ny 15, 16 sy 17 desambra 2017 ho avy izao. Io no daty vaovao sy iombonantsika anivon’ny FLM rehetra maneran-tany taorian’ny fanemorana noho ny trangan’ny areti-mifindra pesta teto amin’ny …

Continuer à lire »

Ny Fanekem-pinoana NISEANA

Nampidirina tao anaty Litorjian’ny Fiangonana ny Fanekena Niseana, izay tsy vaovao raha ny maha-Loterana ny FLM. “Ny FLM dia mino sy manaiky ary mampianatra fa ny Soratra Masina ahitàna ny Boky Kanonika ao amin’ ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, dia ny Baiboly, no Tenin’Andriamanitra. Izany Soratra Masina izany no hany fototra iorenan’ny finoany …

Continuer à lire »

FIVORIAMBE faha-12 FFLET Windhoek – Namibia 10-16 mey 2017

FLM / LWF FIVORIAMBE FAHA 12 / NAMIBIA 2017 Ireo solotenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy notarihan’ny Filohan’ny FLM Pastora Dr RAKOTONIRINA David, any an-toerana, Sary FLM – Ny Aina Dina RAKOTOMALALA Nisokatra tamin’ny alarobia 10 mey 2017 teo ny Fivoriamben’ny LWF (FFLET) izay atao any Windhoek, Namibia ao Afrika atsimo andrefana ao. Enina (6) no solotenan’ny …

Continuer à lire »

Fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady Fileovana 13/05/2017

«Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.» I Kor. 1:9 Io Teny faneva io no ho banjinina mandritra ny Fiofanan’ny mpampianatra Sekoly Alahady eto amin’ny Fileovana Paris, izay raisin’ny Fitandremana Orléans ary atao any Tours. Andrasana amin’izany ireo mpampianatra Sekoly Alahady eto amin’ny Fileovana mba handray fampaherezana …

Continuer à lire »