Tag: Fiangonana

Fiomanana ho amin’ny PENTEKOSTA – Fampianarana

Inona moa ny PENTEKOSTA?   Ao amin’ny TT dia antsoina hoe « fetin’ny herinandro ». Ny anarany feno dia ny hoe חַגשָׁבֻעוֹת (chag shavu’ot, firavoravoan’ny herinandro na fetin’ny herinandro). Ny dikany ara-bakiteny dia « herinandro » (pluriel). Izy io dia ankalazaina amin’ny faha-6 n’ny volana Sivan, izay matetika mitontona amin’ny volana Mey sy Jona. Ny Shavuot dia 50 andro …

Continuer à lire »

Fetin’aina sy Alahadin’ny Advento 2017

Misaotra an’i Jesosy isika Fiangonana FLM Orléans fa nomeny iny taona lasa iny indray, nanehoany antsika ny fitiavany sy ny famindrampony tamintsika, ary nandrotsahany tamintsika ny Fahasoavany. Hiditra taom-baovao indray isika ankehitriny, ka ny laharana fahatelo amin’ny Perikopa no anjarantsika mandritra ny taom-piangonana. Noho ireo Antony ireo dia hankalaza ny Fetin’aina tahaka izay efa natomboka …

Continuer à lire »

Fisaorana an’Andriamanitra sy fiaraha-mientana fanadiovana

Rohy Facebook momba ity vaovao ity: VAKIO ETOMisaotra an’i Jesosy isika fa nomeny fotoana maro sy taona nahafahana nampiasa ny trano Fiangonana eto Fleury-les-Aubrais, Rue Guy Marie-Riobé. Tsy tompony moa isika fa mpindrana ihany ary tonga izao ny fotoana ilàn’ny tompony azy. Hanao fotoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra isika ny Alahady 27 aogositra 2017 ho avy izao, …

Continuer à lire »

Faneva ANDROM-PAHASOAVANA: Fianaran-kira 150 taona FLM

Faha-150 taona Fiangonana Loterana Malagasy

Tao anatin’ny alahady nifanesy izay isika teto amin’ny FLM Orléans no nianatra hira sy namerin-kira ho fiomanana amin’ny fankalazana ny Jobily faha 150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona. Efa nifampizarana sy any am-pelatanantsika moa ny Solfa ny amin’izany. Indro kosa ary ny feon-kira ianarana, izay avy tamin’ny Raiamandreny Pastora RAMANANTSOA Haja …

Continuer à lire »

Fifindran-toerana Fiangonana Septambra 2017 – FLM Orléans

Fiangonana FLM Orléans Septambra 2017

Araka ny vaovao efa rentsika misesy teo amin’ny filazan-draharaha dia tsy ho ela intsony dia handray trano toeram-pivavahana vaovao ny Fiangonantsika FLM Orléans. Taorian’ny fampandrenesana nataon’ny tompon-trano ankehitriny eto Rue Guy-Marie RIOBE, dia niomana tsikelikely ho amin’ny fifindràna isika. Efa am-bolana vitsivitsy no nodinihina teo amin’ny Komity izany. Koa misaotra an’i Jesosy isika fa Izy …

Continuer à lire »