Revenir à Sampana

Sekoly Alahady – Sa.Lo.Ma

Ny SEKOLY ALAHADY LOTERANA (SALOMA) dia isan’ny Sampam-Pikambanana ato amin’ny FLM. Miandraikitra manokana ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny ankizy sy ny fanabeazana azy no ataony.
Eto amintsika eto Orléans dia tahatahaka izao no momba ny Sekoly Alahady:
Nanomboka tamin’ny taona 2011 no nisy Sekoly Alahady ara-dalàna nijoro teto amin’ny Fiangonana. Pastora RAMAROKOTO Herilala no nitondra ny Fiangonana tamin’izany, ary nanao izay hafany rehetra ametrahana io Sampana io, satria asan’i Jesosy anivon’ny ankizy tokoa izany.
Nanomboka teo dia voafidy ny Komity sy ny Birao handinin-draharaha sy handrindra izany Sampana izany.
Ankehitriny (2016-2020) dia toy izao no lamina misy ao:
– Mpampianatra telo amperinasa sy Katekista
– Mpiofana ho Mpampianatra roa
– Kilasy telo
– Mpianatra 15 eo ho eo
– Manaraka ny fandaharana sy boky rehetra atolotry ny Komity SALOMA nasionaly
– Fampianarana amin’ny teny Malagasy, ary ampiana teny frantsay rehefa ilaina (rehefa ilaina ihany)
Mandray anjara amin’ny fiainam-piangonana koa ny Sekoly Alahady, amin’ny endriny isan-karazany:
– Isaky ny alahady voalohan’ny volana: Mamaky teny mandritra io fotoana io, ary manana anjara hira amin’ny fidirana, na aorian’ny toriteny, na aorian’ny fotoam-pivavahana.
– Manana andro roa ao anatin’ny taona: volana may (SALOMA Foibe nasionaly), sy andro iray voatondro isan-taona, hanaovany vokatra sy hetsika hanohanana ny asa eto an-toerana ary hizaràna ny mari-pankasitrahana ho an’ny mpianatra rehetra, sy fizaràna loka ho an’ny mpianatra mendrika isan-kilasy.
– Miara-miditra amin’ny Pastora sy Katekista (procession) ny alahadin’ny Sampan-drofia.
– Mankalaza ny Krismasin’ny Sekoly Alahady miaraka amin’ny Fiangonana, manodidina ny datin’ny 25 desambra, na ny andron’ny Krismasy mihitsy.
– Manasa ny Fiangonana amin’ny hetsika ataony ho an’ny Fiangonana, na ho an’ny Ray aman-dReny: famelablaran-kevitra, efitrano mainty (fijerena sarimihetsika voafantina), fandraisana an-tsarimihetsika ny Krismasin’ny Sekoly Alahady…
Mandray fiofanana ireo Mpampianatra Sekoly Alahady (MSA) eto an-toerana:
– Fiofanana anaty, manaraka ny fandaharam-piofanan’ny Komity Nasionaly SALOMA (boky tandrify amin’izany).
– Fiofanana eto amin’ny Synodam-paritany FLME, isaky ny volana novambra.
Mampiasa tranonkalany manokana ny Sekoly Alahady, hanarahan’ny Ray aman-dReny ny fizotran’ny fampianarana sy ny vaovao rehetra.
——————

Fifandraisana:

Rtoa ANDRIANASOLO Sylvania – MSA Kilasy Santatra – Boky: ANDEHA HIZAHA

Atoa RAKOTOSON Andrianarilala – MSA Kilasy A2: TONGA JESOSY ILAY MALALAKO

ANDRIANASOLO Stefana – MSA Kilasy B1: AVIA HANARAKA AHY

mail: saloma.orleans@gmail.com