Hoy Jesosy: « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » Jaona 15:5
Manana Sampana maro samihafa ao aminy ny FLM. Ireo Sampana ireo no fiasana eo am-pelatànany mba ho fanatanterahana ny zava-kendreny.
Ny Sampam-pikambanana dia natao ho fanabeazana amin’ny Finoana sy ny asa ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana, amin’ny ambaratongampitondrana rehetra.
Mirafitra amin’ny ambaratongam-pitondrana ato amin’ny FLM ny Sampana ka manaiky sy mankato ireny ambaratongam-pitondrana ireny araka ny Lalam-panorenana sy ny Fitsipika manankery ao aminy.
> Raha te-ahafantatra misimisy kokoa momba ny Sampana dia jereo ao amin’ny lalam-panorenan’ny FLM – Fizaràna faharoa, toko faha-IV, p. 82