Sabotsy 26/08/2017 – TONO HENA Fitoriana Filazantsara FDL

Ity hetsika ity dia azonao arahina amin’ny Facebook koa, eto amin’ity rohy ity.
Tamin’ny taon-dasa 2016 no nanomboka ny hetsika TONO HENA Fitoriana Filazantsara izay karakarain’ny Fikambanan-dehilahy eto amin’ny Fiangonana amin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatry ny mpianatra.
Amin’ity taona ity dia manasa antsika Fiangonana ny FDL amin’izany hetsika izany indray ho fiombonana sy ahazoana mitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ny sehatra mivelatra kokoa.
Ireto ary ireo andinindininy amin’izany:

– Toerana: 292 rue du Clos des Chênes, 45400 CHANTEAU.
– Ora fanombohana: amin’ny 11 ora maraina.
– Fandraisan’anjara: 5€ isan’olona.
– Fiomanana: Antsoina ireo lehilahy rehetra eto amin’ny Fiangonana mba ho tonga mialoha ny fotoana ifanampy amin’ny fandaminana rehetra ao an-toerana.
Fandaharana:
Fanompoham-pivavahana
Tono hena amin’ny endriny malalaka
Koranam-pifaliana kristiana
Koa manantena ny fandraisantsika maro anjara amin’izany fotoana izany ary mamporisika ny itondrana ireo namana, fianakaviana sy olom-pantatra eto amin’ny manodidina rehetra.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.