Raharahan’ny Fileovana

Toy izao manaraka izao no vaovao voaray nandritra ny tatitra nataon’ny mpitantsoratry ny Fileovana Paris, nandritra ny isantelovolana natao ny 10&11 oktobra 2015 lasa teo, tao amin’ny FLM Paris.
  1. SEKOLY ALAHADY LOTERANA MALAGASY (SALOMA): Hanao ny KRISMASIN’NY SEKOLY ALAHADY FILEOVANA, mandritra ny Isantelovolana manaraka, atao any amin’ny Fitandremana Orléans.
  2. SAMPANA FIFOHAZANA LOTERANA (FIFIL): Nandray ny famangian’ny Tonia Nasionaly, tany Châteauroux, ary manasa ho amin’ny fiomanan’ny Mpiandry indray izay ho atao any amin’ny Toby Pouru-St-Rémy.
  3. SAMPANA KRISTIANA TANORA LOTERANA MALAGASY (KTLM):
    Nandray anjara tamin’ny ZAIKABE NASIONALY tany Farafangana ny solotena KTLM avy teto amin’ny fileovana Paris, ary mampita ireto vaovao manaraka ireto:
    • Nomen’ny KMSL halalana amin’ny fihetsika izay atao ny KTLM mandritra ny fanamarihana, sy hetsika atao ivelan’ny toeram-piangonana.
    • Hanangana fanangonam-bola hiatrehana ny raharaha ankamehana ny FKTLM.
  4. ISANTELOVOLANA MANARAKA:
  • 30 & 31 janoary 2016: Fitandremana ORLEANS
  • 21 & 22 may 2016: Fitandremana LIMOGES
ISAN-TAONA MANARAKA:
  • 24 & 25 oktobra 2015: ISANTAONAN’NY SYNODAM-PARITANY, raisin’ny Fileovana MARSEILLE. Ny fiofanan’ny mpiasa sy ny vadin’ny mpiasa dia tanterahina ny 22 & 23 oktobra 2015.
  • 07 & 08 novambra 2015: FIOFANAN’NY MPAMPIANATRA SEKOLY ALAHADY, raisin’ny Fileovana PARIS
  • 20 & 21 febroary 2016: ISANTAONA FBL
  • 16 & 17 aprily 2016: ISANTAONA KTLM – Raisin’ny Fileovana ILE-DE-FRANCE