Krismasin’ny Toby Pouru-St-Rémy 23-24 jan 2016

« ARY NY TENY DIA TONGA NOFO KA NONINA TAMINTSIKA.” Jaona 1 :14a

Izany no teny Fanevan’ny Krismasin’ny Toby izay atao any Pouru-St-Rémy amin’ity taona 2016 ity.

Araka izay hitantsika ao anaty Alimanakan’ny Synodam-paritany FLM Eoropa, dia fotoana efa fanao isan-taona io ary iantsoana ny rehetra. Naharay ny fandaharana ny amin’izany isika, ka manasa antsika iombona ho amin’izany fotoana izany.

Ny Sabotsy sy Alahady 23 sy 24 janoary 2016 moa no hanaovana izany any an-toerana.

Fandaharana_Krismasin’ny_Toby_Janoary_2016