Ivon’ny Fankalazana 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona – FLM Betafo

BETAFO 2017

Ny ivon’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha 500 taonan’ny Reformasiona, 2017 dia hotanterahina any amin’ny FLM Betafo Antsirabe, SPAM ny 15, 16 sy 17 desambra 2017 ho avy izao.

Io no daty vaovao sy iombonantsika anivon’ny FLM rehetra maneran-tany taorian’ny fanemorana noho ny trangan’ny areti-mifindra pesta teto amin’ny Firenena.

Koa mankahery antsika indrindra ary tompoko iaraha-iombona amin’ny fankalazana sy fisaorana an’Andriamanitra. Mendrika indrindra Azy izany.

Hira faneva: https://www.youtube.com/watch?v=pNuyr…

Fianarana hira faneva: https://www.youtube.com/watch?v=NjlW3…

Indro manaraka eto kosa ny fandaharam-potoana any an-toerana (vaovao loterana-malagasy.org). Dia mitondra am-bavaka izany fotoan-dehibe izany isika.