Hira Faneva 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona

ANDROM-PAHASOAVANA!

500-taona-reformasiona-Loterana-teny-malagasy.jpg

Ao anatin’ny Jobily fankalazana ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona isika ankehitriny.

Ny faneva dia roa karazana, samy notsoahina avy ao amin’ny bokin’ny Romana.

• NAHAFAHAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA, no an’ny faha 500 taona Reformasiona

• « NY MARINA AMIN’NY FINOANA NO HO VELONA » Rom. 1:17 kosa no an’ny faha-150 taona Reformasiona.

Anaovana hira iray hifaninanana ireo faneva ireo. Nifarana tamin’ny 31 desambra 2016 lasa teo ny fandraisana ireo hira natolotry ny mpamorona isanisany manerana ny sahan’ny FLM.

Nihaona tao Antsirabe tamin’ny febroary 2017 ary ireo mpitsara anaty vaomieran’ny Fifandraisana, araka ireto manaraka ireto:

Pastora RAKOTONIAINA Jean de Dieu, Tale FLF

Atoa ANDRIANAIVORAVELONA (SPAM)

Atoa RATOLOJANAHARY Aristomen (SPAM)

Maître RAKOTO (SPMa)

Rtoa Lanto (SPMa)

Atoa RAZAFY Hubert Toussaint STPL 15 ( SPAl)

Pastora RANAIVOMANANA Albert Tale STPL Marovoay

Atoa MARTIN (FLM Ambatovinaky)

 

Voafantina tamin’izany ny Hira Faneva natolotr’i Pastora RAMANANTSOA Haja Wilson, Tonian’ny Fanoratana Gazety SALOMA – TPFLM.

ANDROM-PAHASOAVANA no lohateniny.

Misaotra an’i Jesosy isika ny amin’izany. Koa Indro ary atolotra antsika FLM Orléans sy mpitsidika ny tranonkalan’ny Fiangonana, ny solfa mirakitra izany hira izany. Mazotoa mianatra azy!

1Hira-Faneva-faha-150-taona-Fiangonana-Loterana-Malagasy 2Hira-Faneva-faha-150-taona-Fiangonana-Loterana-Malagasy 3Hira-Faneva-faha-150-taona-Fiangonana-Loterana-Malagasy 4Hira-Faneva-faha-150-taona-Fiangonana-Loterana-Malagasy 5Hira-Faneva-faha-150-taona-Fiangonana-Loterana-Malagasy FLM-Orléans_Hira-Faneva-faha-150-taona-Fiangonana-Loterana-Malagasy

Raha tsahivina moa dia ity no hira faneva tamin’ny 2007, taom-pankalazana ny Jobily faha-140 taonan’ny FLM:

Dera sy voninahitra ho an’Andriamanitra.