HERINANDRO MASINA 2017: Zoma 14/04

HERINANDRO MASINA 2017: Zoma 14/04

Jesosy maty teo amin'ny hazofijaliana

NDAO HANARAKA NY DIAN’I JESOSY ISIKA (ZOMA)

Androany dia hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika.
Ity andro ity no andro sarotra indrindra amin’ny herinandro masina. Ireo ora farany ireo no nangidy indrindra tsy tamin’i Jesosy ihany fa na dia teo amin’ny mpianany koa aza.

Voalaza fa vao maraina ny zoma dia nananton-tena i Jodasy Iskariota ilay mpamadika.
Tao anatin’izany fotoana izany dia natao fihomehezana ny Tompo Jesosy tamin’ireo karazana fitsarana tsy marina sy fanamelohana tsy rariny. Hitantsika omaly fa ny nanamelohana Azy teo anatrehan’ny fitsarana antsoina hoe Synendriona dia “blasfemia” izany hoe ny nilazany fa Andriamanitra Izy ka afaka mamela heloka, sns.
Rehefa tonga teo amin’ny mpitondra fanjakana indray Izy dia fanamelohana hafa karazana no niseho. Ny antony dia satria tsy zakan’ny mpitondra romana ny nahafantarany fa Mpanjaka i Jesosy, mpanongam-panjakana na mpitarika ny olona hikomy Izy izany araka ny lalàm-panjakana. Tadidio fa fotoana mafampana teo amin’ny fanjakana romana tany amin’ny faritra Palestina ity fotoana ity satria maro ireo karazana antokona mahery fihetsika nanohitra ny “hellenisation” (fampidirana ny kolontsaina grika) Izay mety ho endrika fikomiana dia hampanginina haingana.
Talohan’ny ora fahatelo (9 ora maraina) no nisehoan’ireo. Marihina fa nisy karazana fitsarana enina natrehiny:

• Fitsarana voalohany, teo anatrehan’i Ananiasy mpisoronabe, tamin’ny alina io.
• Ny faharoa dia teo anatrehan’ny Synedriona. Ara-pivavahana izany dia blasfemia no nanamelohana an’i Jesosy. Meloka noho izany Izy araka ny Synedriona.
• Fahatelo, vao maraina ny zoma dia nentina nankany amin’ny Romana izy. Teo i Petera no nandà in-3 ho tsy nahalala Azy.
• Fahefatra, teo anatrehan’i Pilato
• Fahadimy, teo anatrehan’i Heroda izay nitaky fahagagana taminy
• Ny fahenina farany dia naverina teo anatrehan’i Pilato

Voaheloka ho faty i Jesosy noho ireo antony ireo. Ny hazofijaliana no famonoana izay voaheloka ho faty ary dia nampiharina tamin’i Jesosy izany araka ny safidin’ny vahoaka sy ny mpitondra fivavahana nanatrika teo amin’i Pilato.

Dia nihetraketrahan’ireo miaramila Izy, nokapohina, nororana, nanaovana filokana ary dia nilanja ny hazofijaliany nankany Kalvary. Nohomboina ny Tompo izay tsy meloka, niaritra ny fahoriana sy ny fanesoana rehetra nataon’ireo miaramila sy ireo nanatrika teo.
Nisy teny fito nataony teo amin’ny hazofijaliana: Lio 23:34, Lio 23:43, Jao 19:26-27, Mat 27:46, Jao 19:28, Jao 19:30, Lio 23:46; nanomboka tamin’ny nifonany ho an’ireo nanao ratsy Azy izany ka niafara tamin’ny nanolorany ny ainy tamin’ny Rainy.

Nitriatriatra ny fanahiny, tsy mbola nisy zavatra mahatsiravina tahaka izany niseho teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Nangina Andriamanitra, nandao ny Zanany, navelany irery teo amin’ny hazofijaliana niaritra sy nibaby ny fahotan’izao tontolo izao. Mafy tamin’i Jesosy izany, tsy zakany nozakaina ka nihiaka nitady ny Rainy hoe “Ray ô, nahoana no dia nahafoy ahy Ianao?” Tsy namaly ny Rainy, nangina, mahatsiravina loatra izany. Hoy Isaia: “Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy” (Isa 53:10) Raha atao amin’ny fitenin’ny olombelona dia nanala ny fony Andriamanitra, izay tokony nataony tamiko mpanota mahantra dia nataony tamin’ny Zanany.
Tsy nananany antra ny Zanany ka fadiranovana loatra. Tonga fanatitra noho ny ota ho antsika Izy, novonoina, nandatsaka ny ràny mba hanadio antsika, izany no hafatry ny zoma masina.
Rehefa maty Jesosy dia nalain’i Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatea ny fatiny ary nasitriny tao am-pasana.

HAFATRA HO ANTSIKA ANKEHITRINY:
Maty Kristy Paska ho antsika!
Ny hevitr’izany dia tanteraka teo amin’i Jesosy ny fanatitry ny Testamenta Taloha, Izy ilay fanatitra indray mandeha fanadiovana antsika amin’ny fahotantsika. Midika inona aminao izany?
Efa nisy nitondra ny fahotanao, ny finoanao Azy ihany no ahazoanao famonjena. Niaritra ny fahoriana ny Tompo ho antsika nefa inona no mba avalintsika Azy? Dia sanatria ho latsaka foana ve ny rany? Dia avelantsika hitomany foana ve Izy mahita ny hadalantsika isan’andro? Matetika dia miraradraraka ery ny fibebahana any am-piangonana rehefa Zoma Masina hoatran’izao.
Tadidio fa zoma masina isan’andro ny fiainan’ny mino, tokony hisoratra tsy ho voafafa ao am-pony fa maty ho azy i Jesosy. Tokony ho tadidiny foana fa efa nafahana tamin’ny ota izy, tsy tokony hanao tahaka ny kisoa hiverina hilevina ao anaty fahotana, handoto tena indray. Izaho no tokony ho nihosin-dra sy nohomboina, nefa Izy tsy meloka no nisolo ahy, tsy misy fitiavana lehibe noho izany.
Tiany loatra ianao ka vitany ny nanolotra ny AINY mba hanome aina vaovao ho anao. Nesoriny ny akanjo malotoko, ka nosoloiny akanjo madio sy masina. Nosaromany ny voninahiny aho ka nesoriny ny fahafaham-baraka. Misaotra Jesosy ô, ho valin’ny fitiavanao dia ity ny fiainako manontolo anjakao feno. Misaotra betsaka fa tia ahy Ianao.

TENY HOVAKIANA:
Mat 27:1-62, Mar 15:1-47, Lio 22:63-23:56, and Jao 18:28-19:37.

HIRA FFPM 110

Pastora RANDRIANJAKA Olivier,
Mpampianatra ao amin’ny SALT (Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia)