HERINANDRO MASINA 2017: Sabotsy mangina 15/04

HERINANDRO MASINA 2017: Sabotsy 15/04

Sabotsy mangina

NDAO HANARAKA NY DIAN’I JESOSY ISIKA (SABOTSY)

Antsoina hoe « sabotsy mangina » ity sabotsy ity satria matory ao am-pasana mangina i Jesosy Tompo.
Mitovitovy amin’ny fasana Malagasy sasany izay tsy lavaka ao anaty tany fa trano misy varavarana ahidy amin’ny vato ny an’ny Jiosy. Nambenan’ny miaramila romana izany fasana izany mba tsy hisy hikitikitika ary sabotsy, izany hoe Sabata io andro io. Rehefa tapitra ny Sabata tamin’ny 6 ora hariva dia nokarakaraina araka ny fomba jiosy ny fatin’i Jesosy, izany hoe, nasiana ireo karazana zava-manitra izay novidin’i Nikodemosy (Jao 19:39–40).

I Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia dia samy mpikambana tao amin’ny Synedriona ilay fitsarana nanameloka an’i Jesosy. Tsy sahy niseho ho mpanaraka an’i Jesosy izy ireo teo aloha noho ny toerana nisy azy ireo teo amin’ny fiaraha-monina. Nitondra fiovana teo amin’izy ireo ny fihaonany sy ny fahafatesan’i Jesosy ary nikarakara fatratra izany izy ireo satria taty aoriana dia fantany tsara tamin’izay fa ity Jesosy ity no ilay Mesia nandrasana ela. Ireo mpianatra kosa dia very fanantenana sady nitolefika ary angamba nanomboka nihevitra fa lainga daholo izay nolazaina taminy? Niafina izy ireo mba tsy hohita ka hampangaina ho mpanara-dia an’i Jesosy.

Maty Izy mba hanatanteraka ny maha fanatitra noho ny ota Azy. Tanteraka izany ankehitriny taorian’ny nilazany hoe “vita” teo amin’ny hazofijaliana nefa tsy ho feno raha tsy efa mitsangana amin’ny maty Izy. Voalazan’ny soratra masina fa nidina nankany amin’ny Hades (adikan’ny baiboly Malagasy hoe “fiainantsihita”) Ny grika hoe Hades dia midika hoe “fasana” na “ilay toerana ipetrahan’ny olona rehefa maty”. Amin’ny finoana grika dia misy efitra roa ny hades dia ny “toeram-pijaliana” sy ny “paradisa”. Taiza tamin’ireo no nalehany ary naninona tany Izy?

“Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy, izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano”  1Pet. 3:18-20

“koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita (hades) Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lo” Asa 2:31

Santionany amin’ireo soratra milaza fa tena nidina nankany amin’ny hades i Jesosy rehefa maty. Maty tahaka ny olombelona rehetra Izy ary tsy mahagaga raha nidina nankany amin’ny hades tahaka izay rehetra maty. Ny hoe “midina mankany amin’ny hades” dia midika tsotra hoe “maty”.
Tsy ny mahaolona azy ihany no maty satria tsy azontsika sarahana ny maha Andriamanitra sy ny maha olona Azy, fa i Jesosy manontolo no maty ary natory tao amin’ny hades. Voalazany tamin’ilay jiolahy niara-voahombo taminy fa “anio no hihaonanao amiko any paradisa.” (Lio 23:42, 43)
Raha ireo soratra ireo dia nidina nankao amin’ny hades Izy ary araka ny nampianarin’i Martin Lotera dia nidina tao amin’ny toeram-pijaliana Izy mba hanambara ny fandreseny ny fahafatesana.
Raha ny marina dia taloha kelin’ny ny nitsanganany ny alahady maraina io, fa nandritra ny sabotsy dia tao amin’ny paradisa Izy. Io toerana io no inoan’ny Jiosy fa atorian’ireo olona marina rehefa maty, tsy mahagaga raha natory sy niala sasatra tao koa ny Tompo rehefa nahavita ny asam-pisoloana nataony teo amin’ny hazofijaliana. “Mangina” ity sabotsy ity satria natory tao ny Tompo!!

Tsy mitombina ara-tsoratra masina kosa ny filazana fa nidina nitory teny tao amin’ny helo i Jesosy sao dia mbola hibebaka ny olona tao. Tadidio fa tsy misy azo atao amintsika rehefa tapitra ny eto an-tany, eto an-tany ihany no anomezan’Andriamanitra fotoana ibebahantsika. Ireo maty talohan’ny filazantsara sy ny fiavian’i Jesosy dia hotsaraina amin’ny fanantenany ny Mesia, Andriamanitra ihany no mahalala izany.

LESONA HO ANTSIKA ANKEHITRINY:

Ndao mba hiresaka ny fahasahian’i Nikodemosy sy i Josefa avy any Arimatia. Mba sahintsika ve ny miseho ho mpanaraka an’i Jesosy na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra toa ny niainan’izy roalahy ireo. Ary ny mpianatra etsy andaniny, moa tsy nihidy an-trano sy nandositra izy ireo, natahotra sy menatra? Na dia tsy miseho tahaka ireo aza isika dia matetika no manana izany fisainana matahotra ny hijoro ho vavolombelona izany koa eo amin’ny fiainantsika. Mora mamoy fo isika, mora matahotra, tsy matoky, misalasala rehefa tojo ny sarotra. Mandalo fotoan-tsarotra foana ny fiainantsika mpino, hatraiza ny fahatokianao Ilay efa maty ka nisolo anao ary efa niaina ny fahafatesanao? Efa niainan’i Jesosy ny “helo”-ntsika ary fantany hoe ahoana izany hoe “afoy” sy “avela irery” izany, tsy ampahafirin’izay iainako sy iainanao izay niainany. Mahereza daholo, aoreno mafy ny finoana fa azo antoka ny Mpamonjy antsika!

TENY HOVAKIANA:
Mat 27:62-66, Mar 16:1, Lio 23:56, Jao 19:40.
Pastora RANDRIANJAKA Olivier,
Mpampianatra ao amin’ny SALT (Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia)