HERINANDRO MASINA 2017: Alakamisy 13/04

HERINANDRO MASINA 2017: Alakamisy 13/04

FLM Orléans Alakamisy masina

NDAO HANARAKA NY DIAN’I JESOSY ISIKA (ALAKAMISY)

Antsoina hoe Alakamisy Masina ity Alakamisy miavaka loatra ity satria nahoana?
Ny antony dia satria manana ny toerany lehibe eo amin’ny fiangonana kristiana ny fisiany sy ny zavatra nataon’i Jesosy tamin’io andro io. Mampianatra antsika zavatra roa lehibe i Jesosy amin’io Alakamisy Masina io: ny fanatrehan’i Jesosy marina (présence réelle) sy ny fanompoana marina (service réel)

Avy any Betania indray Jesosy dia naniraka an’i Petera sy Jaona hialoha Azy ho amin’ilay efitra kely ambony tany Jerosalema mba hanomana ny fankalazana ny Paska. Rehefa nivory teo Izy sy ny mpianany tamin’ny alina io dia gaga ny mpianatra tamin’ny fihetsika nataon’i Jesosy izay nidina ka nanasa ny tongotry ny mpianatra. Gaga izy ireo satria nampianarin’i Jesosy azy ireo fa Tompo Izy. Amin’ny kolontsaina jiosy mantsy dia ny andevo ao an-trano no maka rano hanasana ny tongotry ny tompony rehefa avy mandeha izy, satria fantatsika fa toerana be vovoka Israely. Izany no nahatonga azy ireo nandà satria izy izay mpanompo no tokony hanasa ny tongotr’ity Tompo lehibe.
Niondrika i Jesosy naka rano dia nanasa ny tongotry ny mpianany ary narahany fampianarana izany, “fianarana no avelako ho anareo” hoy Izy. Amin’i Jesosy mantsy dia fiainana sy fitondrantena “réel” ny fiainan’ny kristiana fa tsy nofinofy na zavatra ianarana amin’ny saina fotsiny. Ilay fanasana tongotra dia manambara fanadiovana ny mpanota.

Avy eo Jesosy dia nihinana ny sakafo Paska niaraka tamin’ny mpianany. Efa ela no niandrasany ity fotoana ity ary nolazainy fa tsy ihinana izany intsony Izy mandrapahatanterak’izany ao amin’ny Fanjakany (Lio 22:15-16). Ity no Paska farany natrehiny sy nankalazainy niaraka tamin’ny mpianatra. Paska hafakely ity satria rehefa tonga teo amin’ny fotoana nihinana ny mofo tsy misy masirasira dia tsy ilay paska jiosy intsony no natrehin’ny mpianatra satria nolazainy fa iny mofo sy divay iny dia NY TENANY SY NY RANY. Amin’ny maha Zanak’ondry an’i Jesosy dia asehony amin’ny mpianany ny fahatanterahan’ny Paska jiosy. Izy mihitsy Ilay Zanak’ondry ary ny ràny no fanafahana sy mpanota very. Toy ny nanafahana ny zanak’Israely avy tany Ejipta tamin’ny alalan’ny ràn’ny zanak’ondry no anolorany ny ràny hanafaka sy hanadio ny mpanota; tahaka ny nanolorana ny zanak’ondrin’ny Paska ho an’Israely no anolorany ny tenany sy ny ràny ho an’ny mpianany sy ireo rehetra mino Azy.
Tonga manatrika sy velona (présence réelle) eo amin’ny fiainan’ny kristiana Jesosy Mpamonjy ary ireo mino Azy izay tena miara-miaina aminy dia tsy maintsy manompo amin’ny fomba hita maso (service réel)

Taorian’izany dia lasa nankao amin’ny zaridainan’i Getsemane Izy sy ny mpianany ka nivavaka mafy. Voalazan’i Lioka fa lasa toy ny rà ny hatsembohany (Lio 22:44). Tamin’io alina io no namadiahan’i Jodasy Azy tamin’ny alalan’ny oroka izay marika nahafantaran’ny mpisambotra fa io norohany io no Ilay Jesosy hosamborina. Teo amin’ny Jiosy ny oroka dia manambara fifampitokisana, tsy fivadihana, saingy nampiasain’i Jodasy izany mba hamadihana an’i Jesosy. Ny synedriona no “fitsarana” tamin’izany fotoana izany ary ny mpisoronabe no filoha mpitsara. Nentina teo amin’i Kaiafa i Jesosy fa io no mpisoronabe ary efa nivory teo daholo ny mpikambana mba hanadina Azy. Ny tena antony nanamelohana azy dia “blasfemia” noho ny nilazany fa Andriamanitra Izy sady mahavita mamela heloka.


LESONA HO ANTSIKA ANKEHITRINY:
Velona sy manjaka eo amintsika Jesosy, miombona ao amin’ny mofo sy ny divay izay raisintsika ny tenany sy ny rany. Manatrika antsika amin’ny fomba velona Izy. Tsy misy olona afaka mihinana sy misotrao amin’ny alalan’ny nofinofy fa izay mihinana sy misotro dia tsy maintsy misy fifampikasohana sy fahatsapana mivantana. Toy izany ny mino izay mihinana sy misotro ny ràny dia mikasoka aminy mivantana ka miombona ao aminy, tafiditra ao anatiny Jesosy, velona ao anatiny Izy.

Ny mpianatra marina dia “manompo marina”.
Raha Jesosy Ilay Tompo no niondrika nanompo toy ny andevo maninona isika no manandra-tena sy mizahozaho ka malaina manompo? Tsy niantso antsika ho “sefo” sy “boss” handohalehana i Jesosy fa niantso sy manendry antsika handohalika sy hanompo. Ny sekolin’izao tontolo izao dia “sekoly fanalehibeazana” ny an’i Jesosy kosa dia “sekoly fanakelezana,” sekoly fanamboarana olona ho mpanompo manompo ny hafa. Ampianarin’i Jesosy antsika androany fa tsy maintsy mandrava ny “ego” isika raha te hanompo marina, raha Izy izay Tompo no nandohalika sy nanasa tongotra iza moa izaho sy ianao no hanandra-tena?
Mora amintsika ny mimonomonona sy mitsikera nefa malaina manompo.
Jesosy ô, dia niondrika tokoa Ianao ka nanasa ny tongotro, menatra aho Jesosy satria manandra-tena, mizahozaho, ampianaro aho hanetry tena toa Anao.

TENY HOVAKIANA:
Mat 26:17–75, Mar 14:12-72, Lio 22:7-62, Jao 13:1-38.
Pastora RANDRIANJAKA Olivier,
Mpampianatra ao amin’ny SALT (Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia)
Aza adino: Fotoam-pivavahana Alakamisy Masina, anio amin’ny 7 ora hariva eto amin’ny FLM Orléans. Hisy fanasana tongotra ataon’ny mpiandry eto an-toerana amin’io fotoana io. Manasa antsika amin’izany fotoana izany.

Ity kosa no toriteny fanampiny atolotry ny FLM Ambatovinaky, azontsika arahina ihany koa: