HE MANDA FIAROVANA
Ein feste Burg ist unser Gott
A Mighty Fortress Is Our God
FFPM 500
Fihirana faneva nosoratan’i Martin Lotera, manodidina ny taona 1528.
Tonony sy feo Feo: Martin Lotera
Nosintonina avy tamin’ny Salamo 46
Nadikan’i C. Borchgrevink, 1841-1919 (Tiona FFPM)
Hira navoakan’ny Federasiona Fiangonana Loterana Eran-Tany.
NAFAHAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA
—–
1 [Fahatokiana an’Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’Andriamanitra, Fonena-masin’ny Avo Indrindra.
5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
7 Jehovah, Tompon’ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
8 Avia, jereo ny asan’i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
9 Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ny afo.
10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
11 Jehovah, Tompon’ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’i Jakoba no aro ho antsika.