FIOMBONAN’NY FIANGONANA PROTESTANTA ETO MADAGASIKARA
FARITRA EOROPA (FFPME)
Paris, faha 01 Septambra 2018
Ho an’ny Pastora sy ny Mpitandrina, ny Katekista
ary ny fiangonana manontolo
eto amin’ny Synoda FLM Eropa sy ny Synodamparitany VFA 37
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo (Efes. 1:2).
Amin’ny fifaliana mandrakariva ry Havana, no iarahabana antsika amin’izao famaranana ny fialan-tsasatra izao.
Hiatrika indray ny Fivoriambeantsika zanaky ny FLM sy ny zanaky ny FJKM aty Eoropa isika araka tetiandrontsika, amin’izao enim-bolana faharoan’ny taona 2018 izao.
Koa mitaona sy manentana antsika mpianakavin’ny finoana rehetra, hiaraka hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra araka ireto fandaharana sy fandaminana ireto:
Fanompoam-pivavahana iraisantsika
Fotoana: Alahady 09 septambra 2018
Toerana: Oratoire du Temple Neuf, rue du Temple Neuf 67000 Strasbourg.
Ora fanombohan’ny fanompoam-pivavahana: @ 1 ora tolakandro
Entanina isika isam-pileovana sy isam-pitandremana, samy handray ny fandaminany mikasika ny fahatongavana.
Tsara ihany anefa ny hanolorantsika aty amin’ny Biraon’ny FFPME (mail: rakotonirina.jcharles@gmail.com sy aikonavalona@gmail.com) ny isantsika izay afaka ho tonga ny alahady, mba ahazoan’ny mpampiantrano manomana ny any an-toerana.
Manantena ny fiombonantsika hirodorodo hiatrika izao fivoriambe izao indray ry Havana.
Mampahery antsika amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.
Ny Filohan’ny Komitin’ny FFPME miara-mitantana:
Pastora Rakotondrazaka Habberstad sy Rakotonirina Charles, Mpitandrina.
Ny Mpitantsoratra: Rtoa Rasoavimbahoaka Nyaina