FIVORIAMBE faha-12 FFLET Windhoek – Namibia 10-16 mey 2017

FLM / LWF FIVORIAMBE FAHA 12 / NAMIBIA 2017

Delegasiona Fiangonana Loterana Namibia Fivoriamba mey 2017_FLM Orléans

Ireo solotenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy notarihan’ny Filohan’ny FLM Pastora Dr RAKOTONIRINA David, any an-toerana, Sary FLM – Ny Aina Dina RAKOTOMALALA

Fahatongavana tao Namibia

Nisokatra tamin’ny alarobia 10 mey 2017 teo ny Fivoriamben’ny LWF (FFLET) izay atao any Windhoek, Namibia ao Afrika atsimo andrefana ao.
namibia__large
Enina (6) no solotenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) manatrika ity fivoriamben’ny FFLET faha-12 ity.

NamibiaFanompoam-pivavahana no nanokafana ny fotoana, izay narahina Fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ny lohahevitra dia tamin’io andro voalohany io moa dia ny hoe Nafahan’ny fahasoavan’Andriamanitra, Teny fanevan’ny faha-500 taonan’ny Reformasiona.

Solotena 800 isa sy Fiangonana Loterana miisa 145 avy amina Firenena 98 no miombona amin’izany ary isaky ny 7 taona no hanatanterahana ny fivoriana toy izao. Rev. Dr Martin Junge
Mitohy isan’andro hatramin’ny Talata faha-16 mey ity fivoriambe ity. Azontsika arahina mivantana ETO (livestreaming) moa izay mitranga any an-toerana mandritra io fotoana io.
Azontsika arahina koa ny ao amin’ny tranonkala ofisialy: https://www.lwfassembly.org/en na https://www.lwfassembly.org/fr
Ny fandaharan’ny fotoan’ny fivoriambe manontolo kosa dia azo raisina ETO.
Dr Denis Mukwege
Mirary antsika rehetra iombona amin’izany fotoana izany. Mba ho ny Fitahian’i Jesosy no hampiombona am-pitiavana antsika rehetra ka ho iray tokoa ny Tanjona dia ny hahazoan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ny Fiainana mandrakizay.