FETIM-PIRENENA MALAGASY 2016 – 25 jona ORLEANS

« Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko. » Salamo 81:13
Ny Pastora sy ny Komity ary ny FIANGONANA LOTERANA MALAGASY ORLEANS dia faly manasa antsika tsy ankanavaka, Ray aman-dReny, Zoky sy zandry, mpiray Tanindrazana sy havana ary tapaka sy namana mba hiara-hanome voninahitra an’Andriamanitra sy iombona amin’ny hetsika FETIM-PIRENENA MALAGASY izay karakarainy.

 

Izany dia atao

  • ny Sabotsy 25 jona ho avy izao,
  • ao amin’ny efitrano LYON, Paroisse Ste-Croix, 1 rue du Pressoir neuf – 45000 ORLEANS.
  • Manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 10 ora alina.
Asaramanitra 2016

Fetim-pirenena Malagasy iarahana amin’ny FLM Orléans

Hafakely ny ho endriky ny hetsika satria misy tarika Kristiana nasaina manokana hanafana ny fotoana, miaraka amin’ireo manantalenta eto an-toerana.

Vavaka, hira fiderana sy hira miantsa ny fitiava-Tanindrazana, lalao, sakafo Malagasy… no miandry antsika amin’io SAKAFOM-PIFALIANA io. Hiaraka hanome aina izany isika rehetra ary asaina manokana koa ho avy ireo ankizy sy tanora, fa hisy anjara ho azy ao (fahafantarana an’i Madagasikara, ny kolontsainy, ny fombany…).

Koa samy mitondra am-bavaka izany fotoana izany isika, ary tsy hisalasala hanasa ireo manodidina antsika avy mba ahazo anjara amin’izany fotoana izany. Asaina avokoa na Malagasy na vahiny. Tongasoa!

Fandraisan’anjara: 20€ ho an’ny lehibe ary 10€ ho an’ny ankizy latsaky ny 13 taona. Azonao raisina amin’ny kristiana eto an-toerana.
Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny laharana: 06 42 40 82 88 / 07 82 85 50 36