Fanokanana FLM Le Mans – 10 desambra 2017

Araka ireo vaovao efa nampitaina imbetsaka teo amin’ny filazan-draharaha dia miomana isika Fiangonana FLM Orléans amin’ny fanotronana sy fitondrana am-bavaka ny Fotoan-dehibe Fanokanana ny FLM Le Mans. Mpiray Fileovana moa isika koa rariny indrindra raha mifanohana sy mifamporisika.
Ny fotoam-pivavahana dia hanomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina any an-toerana, ary hotarihin’ny Filohan’ny Synodam-Paritany FLM Eoropa, Pastora Dr HABBERSTAD Rakotondrazaka.
Aorian’ny fotoana dia manasa antsika hijanon hiara-hisakafo ny Fiangonana.
Ny fotoana dia hotanterahina ao amin’ny FLM Le Mans, Saint Paul de Bellevue, rue de Luxembourg, 72190 COULAINES.
Ny fandaharana kosa dia azonao raisina eto avy hatrany (pdf): Fandaharana Fanokanana FLM Le Mans
Fifandraisana any an-toerana: DODO Njaka (FLM Le Mans) – 06 69 10 56 02

Toy izao manaraka izao kosa ny Fanasana avy amin’ny Raiamandreny Mpitondra Fileovana, Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond,
FANASANA
Am-pifaliana lehibe ry havana no ilazana amintsika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny Synodam-Paritany eto Eoropa, fa amin’ny alahady 10 Desambra 2017 izao, no hanokanana ny Fiangonana Loterana Malagasy Le Mans.
Koa dia am-panajana feno ny ahazoanay, komity ny Fileovana Paris sy ny komity eto Le Mans, manasa anareo ho tonga hiaraka hivavaka sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany vanim-potoana lehibe izany.
Ny Pastora Dr HABBERSTAD Rakotondrazaka, Filoha ny Synodam-Paritany eto Eoropa no mitarika ny fanokanana, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy.
Ao amin’ny Église Saint Paul de Bellevue, rue du Luxembourg,
72190 COULAINES.
Manomboka amin’ny Folo ora sy sasany (10h30) ny fotoam-pivavahana.
Ao aorian’ny fotoam-pivavahana, dia mbola fifaliana ho anay ny manasa anareo hiaraka hisakafo.
Dera, Laza, Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany. Amena!
Pastora Edmond RAHARIJAONARIVELO
Mpitondra Fileovana Paris