Fandaharana isantelovolana 10&11/10/2015

Manasa antsika tompoko amin’ny Isantelovolan’ny Fileovana Paris.
Any amin’ny renivohitry ny Fileovana ny fotoana amin’ity manaraka ity ka ireto avy no adiresy sy daty mifanaraka amin’izany:
  • Sabotsy 10/10/2015 = 7 Rue de Poitiers, 75007 Paris
  • Alahady 11/10/2015 = 7 Rue Marie-Rose, 75014 Paris

Ny lohahevitra amin’izany dia ny Kolosiana 3:10a

« Ary efa notafinareo ny toetra vaovao. »

Eto no ahitana ny fandaharana manontolo amin’izany >>> ISANTELOVOLANA OKT2015

Manasa antsika FLM Orléans tompoko amin’izany fotoana izany ary mamporisika sy manentana antsika rehetra, na Ray aman-dReny, na mpianatra Sekoly Alahady, fa hisy fotoana manokana ho an’ny SA any an-toerana, araka ny fandaharana mandritra ny isantelovolana.
Fampianarana sy toriteny no tovozina ary finoana no hitombo. Tongava daholo tompoko!