Fandaharana fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady – Synodam-paritany FLME

Ny fiofanana isan-taona ataon’ny Mpampianatra Sekoly Alahady eto amin’ny Synodantsika (Synodam-Paritany FLM Eoropa), dia hotanterahina ny 07 & 08 novambra 2015 ho avy izao.

Ny fileovana Paris, no mandray azy ary Toerana roa no hanaovana izany:

Ny Sabotsy dia ao amin’ny 8 impasse André Sabatier, 94240 Malakoff | Bus 323, arrêt: Station Louis Girard izany ary ny Alahady kosa dia ao amin’ny 7 rue Marie Rose, Paris 75014 | Métro Alésia.

Telo no isan’ireo mpampianatra avy eto amintsika (FLM Orléans) handray anjara amin’izany fiofanana izany. Manana anjara amin’izany koa ny Pastorantsika (Raiamandreny Pastora RASETA) mikasika ny

  • Foto-pianarana sy foto-kevitra, boky, kilasy D

  • Fampiasàna ny teny Malagasy ato amin’ny Sekoly Alahady

Zava-dehibe ho an’ny Fampianarana sy ny zaza sy ankizy beazina ato amin’ny Sampana ny ahafahan’ny mpampianatra mandeha miofana. Isaorantsika Jesosy fa mbola misy izany fiofanana izany eto amin’ny Synodam-paritany misy antsika. Fotoana ianarana, ifanakalozana eo amin’ny samy mpampianatra, ary fotoana ifankahalalàna sy hanovozana hery koa ny fivoriana toy itony.

Koa manasa antsika rehetra tompoko hitondra am-bavaka an’izany fotoana izany sy ny dian’ireo ho any an-toerana. Ireo solotena hamonjy ny fiofanana dia mbola hanao tatitra ihany mikasika izay zavatra nozaraina sy azo tany an-toerana.

Raiso manaraka eto ny Fandaharana Fiofanana MSA_07-08 nov 2015_niova toerana