Category: Sekoly Alahady

FITIAVANA mandresy – Antsam-panahy Paska Sekoly Alahady

FITIAVANA mandresy – Antsam-panahy Paska Sekoly Alahady 2018 Ny Sekoly Alahady dia faly manasa antsika amin’ny Antsam-panahy karakarainy ny Alahady 1 aprily 2018, Andro Paska. Aorian’ny fotoam-pivavahana no hanatanterahana izany fotoana izany ary iantsoana ny tsirairay sy ny fianakaviana manontolo. Toy izao no fizotrin’ny fotoana: Ampahany voalohany: Antsam-panahy Ampahany faharoa: efitrano mainty Paska Koa manome …

Continuer à lire »

Akon’ny KRISMASIN’NY Sekoly Alahady FLM Orléans

Jesosy teraka ao an-tranon'omby

« Aoka ho mpankato ny Teny ianareo » Jakoba 1:22a HIRA FANEVAN’NY SEKOLY ALAHADY FLM Orléans 2017-2018 Amin’izao Krismasy izao dia manolotra anareo ny hira fanevan’ny Sekoly Alahady FLM Orléans 2017-2018 izahay. « Aoka ho mpankato ny Teny ianareo » Jakoba 1:22a, hira faneva noredonin’ny SA tao am-piangonana ny 24 desambra 2017 lasa teo nandritra ny fankalazana ny Krismasin’ny …

Continuer à lire »

24 desambra sy Krismasy FLM Orléans – Fandaharana 2017

Advent_4_FLM Orléans

Ho avy tsy ho ela intsony ny Krismasy 2017. Ao anatin’ny fiomanantsika amin’izany dia nametraka lamina ny amin’izany ny Fiangonana, ka indro aroso antsika tsirairay avy sy isam-pianakaviana izany, ary hanasana ny rehetra. ALAHADY 24 DESAMBRA 2017: Alahady faha-4 amin’ny ADVENTO – KRISMASIN’NY SEKOLY ALAHADY Amin’ny 11ora: Fotoam-pivavahana litorjika, Sakafom-piraisana: Aorian’ny fotoam-pivavahana. Samy mitondra sakafo …

Continuer à lire »

Akon’ny Seminery Nasionaly SALoMa – Aogositra 2017

Seminery Nasionaly Sekoly Alahady 2017

Faneva: « Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra » Romana 8:14 Notanterahina tao amin’ny Synodam-paritany Toamasina FLM Morarano ny Seminery Nasionalin’ny SALoMa tamin’ity taona 2017. Isaorana an’i Jesosy izany. Noho ny fitiavana sy famindrampon’Andriamanitra moa dia nahazo anjara isika tamin’ny alalan’ny solotenantsika tany an-toerana, Rtoa Tonia SALoMa SP FLME, RANDRIANASOLO Hanitra. 6400 no isan’ireo mpampianatra Sekoly Alahady tonga …

Continuer à lire »

Fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady Fileovana 13/05/2017

«Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.» I Kor. 1:9 Io Teny faneva io no ho banjinina mandritra ny Fiofanan’ny mpampianatra Sekoly Alahady eto amin’ny Fileovana Paris, izay raisin’ny Fitandremana Orléans ary atao any Tours. Andrasana amin’izany ireo mpampianatra Sekoly Alahady eto amin’ny Fileovana mba handray fampaherezana …

Continuer à lire »