Teny Fiainana ho anao! « Ny Fahasoavan’Andriamanitra! » araka ny Hebreo 10, dia ny niantsoan’Andriamanitra anao hoe, « Zanako ianao! »; io no iantsoany anao ho tonga ankohonany! « Izaho ho Rainy, ary ianao ho zanany » hoy koa ny Heb. 1: 5b. Fianakaviana maro avy amin’ny toerana maro, avy amin’ny firenen-tsamihafa, sy ny olona samihafa nantsoiny ho tonga ankohonana iray, …
Category: Matoan-dahatsoratra
Pentekosta: Fiainam-baovao sy Fiadanana
Miarahaba antsika rehetra mankalaza indray ny Andro Pentekosta! Inona moa ny « Pentekosta »? Fahizay, Andro fetim-bokatra teo amin’ny Zanak’Isiraely ny « Pentekosta »; fanolorana ho an’Andriamanitra izay tsara indrindra avy amin’ny voaloham-bokatra. Fanolorana fanati-pisaorana ho an’i Jehovah, avy amin’ny voaloham-bokatra; dimam-polo andro aorian’ny Paska, fisaorana noho ny fanavotana avy tany amin’ny fanandevozana tany Egypta. Ny Pentekosta dia fety …
Matoan-dahatsoratra 19/07/2014
MATOAN-DAHATSORATRA – 19/07/2014 Raha misy zava-tsarotra atrehin’ny olona tsirairay eo amin’ny fiainana – fa iza moa no afaka amin’izany eto an-tany?-, dia tsy isalasalana fa maizina aminy ny tany aman-danitra. Azo atao ihany ny hahita ny hakanton’izao tontolo noharin’Andriamanitra izao raha toa ka misy tara-pahazavana kely. Fa raha misy olona afaka hahita ny hasoan’izao …