Category: SP FLMEoropa

Vaovaon'ny Synodam-Paritany FLM Eoropa izay irafetantsika, miray amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Toriteny FFPM faritra Eoropa – 12/03/2017 – Past. Rakotondrazaka HABBERSTAD

Matio 8:18-22 Alahady 12/03/2017 – Toriteny fotoam-pivavahana FFPM faritra Eoropa, notarihan’ny Mpitandrina RAKOTONIRINA Charles, Filoha mpiara-mitantana ny FFPME (SP Vatofehizoro Ampitandranomasina faha-37 FJKM). Toriteny: Pastora HABBERSTAD Rakotondrazaka, Filoha mpiara-mitantana ny FFPME (SP FLME) 18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Azy, dia nanome teny hiala ho eny am-pita. 19 Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray …

Continuer à lire »

Fiz. 2 Fitomboan’ny Fifohazana protestanta Malagasy – Toby Pouru-St-Rémy

—— Fandaharana tamin’ny alarobia 21 desambra 2016, amin’ny fiteny frantsay. Ampahany faharoa tamin’ny fandaharana « Comment dire » tao amin’ny radio fréquence protestante, izay iresahana ny fivoaran’ny fifohazana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miresaka momba ny Toby Pouru-St-Rémy ao Frantsa, izay miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza. Miaraka amin’i Pastora Alain Joly sy ireo vahininy Dr Helirina RAOELISON, Raiamandrenin’ny Toby, Josoa …

Continuer à lire »

Fiz. 1 Fitomboan’ny Fifohazana protestanta Malagasy – Toby Pouru-St-Rémy

—— Fandaharana tamin’ny alarobia 14 desambra 2016, amin’ny fiteny frantsay. Ampahany voalohany tamin’ny fandaharana tao amin’ny radio fréquence protestante, izay iresahana ny fivoaran’ny fifohazana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miresaka momba ny Toby Pouru-St-Rémy ao Frantsa, izay miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza. Miaraka amin’i Pastora Alain Joly sy ireo vahininy Dr Helirina RAOELISON, Raiamandrenin’ny Toby, Dr Jean …

Continuer à lire »

Fanasana sy fandaharana KRISMASIN’NY TOBY 2016 – Pouru-St-Rémy

SYNODAM-PARITANY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY ATY EOROPA TOBY SAINT-REMY miray amin’ny TOBILEHIBE ANKARAMALAZA Pouru-Saint-Rémy, faha 16 desambra 2016 Ho an’ny Fiangonana Loterana Malagasy Orléans,   Ry havana malala ao amin’ny Tompo Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika. Manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka ho tonga anatrika ny …

Continuer à lire »

Fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady 2016 – Fandaharana

Hoy Jesosy: « … mianara Amiko … » Matio 11:29b. Ny Fileovana Marseille indray no handray ny fiofanan’ny mpampianatra Sekoly Alahady eto anivon’ny Synodam-paritany FLM Eoropa, ny sabotsy 12 sy alahady 13 novambra 2016 ho avy izao. Andrasana any Gemenos, toerana manokana handraisana ny fiofanana, ireto mpampianatra izay hanainga avy any amin’ny isam-piangonany avy. Manamarika ity fiofanana …

Continuer à lire »