Category: 150 taona FLM

Pejy sokafana manokana hanarahana ireo vaovao am-pelatànana rehetra momba ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny Fiangonana Loterana Malagasy, amin'ny taona 2017.

Alahady 22/04/2018 Fankalazana 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona

Faha-150 taona Fiangonana Loterana Malagasy

  Miarahaba sy mamangy antsika Fiangonana amin’ny anaran’i Jesosy indray tompoko, Hankalaza ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona isika eto amin’ny FLM Orléans ny alahady ho avy izao. Fotoan-dehibe sy fifaliana lehibe ho antsika izany satria mbola NAFAHANA noho ny FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA isika ary antsoin’i Jesosy koa ho MARINA amin’ny FINOANA …

Continuer à lire »

Ivon’ny Fankalazana 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona – FLM Betafo

Ivon'ny fankalazana 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona

BETAFO 2017 Ny ivon’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha 500 taonan’ny Reformasiona, 2017 dia hotanterahina any amin’ny FLM Betafo Antsirabe, SPAM ny 15, 16 sy 17 desambra 2017 ho avy izao. Io no daty vaovao sy iombonantsika anivon’ny FLM rehetra maneran-tany taorian’ny fanemorana noho ny trangan’ny areti-mifindra pesta teto amin’ny …

Continuer à lire »

Faneva ANDROM-PAHASOAVANA: Fianaran-kira 150 taona FLM

Faha-150 taona Fiangonana Loterana Malagasy

Tao anatin’ny alahady nifanesy izay isika teto amin’ny FLM Orléans no nianatra hira sy namerin-kira ho fiomanana amin’ny fankalazana ny Jobily faha 150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona. Efa nifampizarana sy any am-pelatanantsika moa ny Solfa ny amin’izany. Indro kosa ary ny feon-kira ianarana, izay avy tamin’ny Raiamandreny Pastora RAMANANTSOA Haja …

Continuer à lire »

Hira Faneva 150 taona FLM sy 500 taona Reformasiona

ANDROM-PAHASOAVANA! Ao anatin’ny Jobily fankalazana ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona isika ankehitriny. Ny faneva dia roa karazana, samy notsoahina avy ao amin’ny bokin’ny Romana. • NAHAFAHAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA, no an’ny faha 500 taona Reformasiona • « NY MARINA AMIN’NY FINOANA NO HO VELONA » Rom. 1:17 kosa no an’ny faha-150 taona Reformasiona. …

Continuer à lire »

Bokin’ny Romana ho an’ny taona 2017 – Hafatra Foibe FLM

Bokin’ny Romana ho an’ny taona 2017 – Hafatra Foibe FLM Ao anatin’ny taom-pankalazana roa sosona isika izao. 150 taona ny Fiangonana Loterana Malagasy ary 500 taona ny Reformasiona. Ny KMSL na Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe FLM, izay nivory tao Mahajanga (SPBM) nandritra ny KMSL 136, ny 08-15 novambra 2016 lasa teo tao amin’ny FLM Antanimalandy, dia …

Continuer à lire »