Androm-bavaka ho an’ny FBL FLM Orléans, Alahady 02/02/2020

« Mihobia sy mifalia , ry ZIONA zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao aho, hoy Jehovah. » Zakaria 2:14

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo. Araka ny efa fantatsika Fiangonana dia ny Alahady voalohan’ny volana Febroary 02/02/2020 dia Andrombavaka ho an’ny FBL na ny Vehivavy eto amin’ny Fiangonantsika.

Amin’io fotoana io koa dia misy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo satria manana Pastora isika. Misy ny sakafo izay anasana ny tsirairay, hamidy mirary tokoa (10 €), koa dia manantena antsika rehetra handray anjara am-pitiavana tompoko. Misy koa ny Kalandrie 2020 izay hamidy 5€. Dia mangataka amintsika rehetra mba hitondra am-bavaka izany Andrombavaka izany tompoko.

Ny Fiadanan’i Jesosy hatrany no hitoetra amin’ny tsirairay.

Ho Azy Irery anie ny Voninahitra, Amen!

Ny Filoha FBL FLM Orléans,

Rtoa RAJOHARISON Soanasolo Perle