Akon’ny KRISMASIN’NY Sekoly Alahady FLM Orléans

« Aoka ho mpankato ny Teny ianareo » Jakoba 1:22a

HIRA FANEVAN’NY SEKOLY ALAHADY FLM Orléans 2017-2018

Amin’izao Krismasy izao dia manolotra anareo ny hira fanevan’ny Sekoly Alahady FLM Orléans 2017-2018 izahay.

« Aoka ho mpankato ny Teny ianareo » Jakoba 1:22a, hira faneva noredonin’ny SA tao am-piangonana ny 24 desambra 2017 lasa teo nandritra ny fankalazana ny Krismasin’ny Sekoly Alahady.

Isaorana ireo Ray aman-dReny niara-niasa, isaorana ireo mpianatra Sekoly Alahady, isaorana ireo mpampianatra sekoly alahady ao an-toerana, fa indrindra indrindra isaorana Jesosy.

Mirary anao handray an’i Jesosy sy hanokatra ny fonao idirany, fa Izy no ivon’izao Krismasy izao!