10/04/2016 Akon’ny Alahadin’ny FDL Nasionaly

Voalohany teto amin’ny Fiangonantsika no nankalaza ny Alahadin’ny FDL nasionaly tamin’ity taona 2016 ity. Raha tsiahivina moa dia taona voalohany koa ity nampijoroana izany Sampana izany eto amin’ny FLM Orléans.

Ny toriteny nentin’ny Raiamandreny Pastora dia ny tao amin’ny Jaona 10:11-16.

Atoa RASOLO Tantely, Filohan’ny Sampana ihany koa dia nandray fitenenana fanentanana ho amin’izany.

Nandray anjara hira avy eo ireo lehilahy teto amin’ny Fiangonana taorian’ny Toriteny, ary dia nisy vokatra natao taorian’ny fotoam-pivavahana hanohanana ny asa.

Isaorana sy ankasitrahana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra tamin’izany.

Nanao ny tatitra ara-bola moa ny Filoha, ny alahady 24/04/2016.