Ho avy tsy ho ela intsony ny Krismasy 2017. Ao anatin’ny fiomanantsika amin’izany dia nametraka lamina ny amin’izany ny Fiangonana, ka indro aroso antsika tsirairay avy sy isam-pianakaviana izany, ary hanasana ny rehetra.
ALAHADY 24 DESAMBRA 2017: Alahady faha-4 amin’ny ADVENTO – KRISMASIN’NY SEKOLY ALAHADY
- Amin’ny 11ora: Fotoam-pivavahana litorjika,
- Sakafom-piraisana: Aorian’ny fotoam-pivavahana. Samy mitondra sakafo ny isam-pianakaviana ary atambatra hiaraha-komana ny sakafo rehetra.
- Amin’ny 3 ora: KRISMASY FANKATOAVANA, atolotry ny Sekoly Alahady FLM Orléans.
ALATSINAINY 25 DESAMBRA 2017: ANDRO KRISMASY I
- Amin’ny 4 ora: Fotoam-pivavahana litorjika, misy Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Manome fotoana antsika rehetra any an-toerana izany ary mitondra am-bavaka ny fotoana rehetra isika.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.